REHEFA MBA NOELY... (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA MBA NOELY...





Rehefa mba Noely,
iza no tsy hiravo ?
Diniho fa ny anjely,
midera koa ny Avo.




Rehefa mba Noely,
iza no tsy hiova ?
Miredona sy miely
ny hira tsara lova.




Rehefa mba Noely,
iza no tsy hisaotra ?
F'i Jesoa zazakely
no io hampivoatra.




Rehefa mba Noely,
iza no tsy hivavaka ?
'Lay Kristy modely
no teraka sy ravaka.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
882 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0128