REHEFA MIHIRA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA MIHIRA





Rehefa mihira
fahatsiarovana
ny foko be tomany
dia maniratsira,
mahatorovana
ny ritsoky ny tany.




Rehefa mihira
ny androntsika
ny ora tsy misava,
any andakira,
misy mozika
hontsa lalandava.




Rehefa mihira
fitiavana indray
ny tsapa mandeha
dia saika arira
fa tena mahay
mampitony ange.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
573 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116