REHEFA MISY NY FITIAVANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA MISY NY FITIAVANA





Tsy misy izay tsy vita
rehefa misy ny fitiavana ;
mora hay ny mampita
ny andro ho fahasoavana.




Tsy misy izay tsy tody
rehefa misy ny fitiavana ;
ny haravoana mipody
raha niarahana finiavana.




Tsy misy izay tsy azo
rehefa misy ny fitiavana,
n'aiza n'aiza te hivazo,
ny foko izany te hitavana.




Tsy misy izay tsy to
rehefa misy ny fitiavana ;
fiadanana tsy ho lo
sy mbola mampihavana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
706 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.011