REHEFA NY LOLOMPO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA NY LOLOMPO





Rehefa ny lolompo
no velona ao anaty,
tsy afaka hanan-jo
ny tsara ka soraty.




Rehefa ny lolompo
no miasa lalandava,
tsarovy fa tsy ho to
'zay tianao hazava.




Rehefa ny lolompo
no maro sesehena,
ao hatrany fa tsy lo
'zay ady novolena.




Rehefa ny lolompo
no mankarary anao,
aleoko re tamboho
no arafitra eto izao.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
520 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 23/04/2021 10:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106