REHEFA TONGA NY NOELY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA TONGA NY NOELY







Rehefa tonga ny Noely,
ny hafaliana zary kely
fa alahelo no mitaona
ito foko izay misaona.



Rehefa tonga ny Noely,
sentosento no mamely,
ranomaso no mirotsaka,
hafahafa no mitosaka.



Rehefa tonga ny Noely
dia tsy mamy velively
ny tabataba sy korana
fa oriory tsy tamana.



Rehefa tonga ny Noely,
ahy ihany fa tsy aely
ny hitokana eny ho eny
hahatsiaro izato reny.





Fredy JAOFERA
.
--------
Lien:
2140 1
Fans: Ulrichandry
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0113