You are here: home > Vetso

REHEFA TSY EO INDRINDRA IANAO... - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





REHEFA TSY EO INDRINDRA IANAO...





Rehefa tsy eo indrindra ianao
no tadidy hatrany amin'ny ady
ny fitiavana kendreko hihavao
efa nogohana ny mamy sahady.




Rehefa tsy eo indrindra ianao
no tsaroako misy babangoana
'reo minitra sy ora tsara natao
vazivazy na sangisangy foana.




Rehefa tsy eo indrindra ianao
no tsapa mitombo 'zay alahelo
ka na feno lahasa sy te hilalao,
misento ihany fa mamelovelo.




Rehefa tsy eo indrindra ianao
no mivadika ho andro ririnina
ny andro maro mila hankalao
fa tsy manana izay hofihinina.




Fredy JAOFERA







Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 23/10/2021
Mpamangy : 167
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

NAHOANA NY VARY ?
MAHAVERY
ELA NOTORATORAHANA
MISY
MAHATSARA
HAHITA ANAO
IZY DIA NIHEVITRA
NOELY MATSIRO
ASIO KELY
TAPAKA