REHEFA TSY IFANTOHANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA TSY IFANTOHANARehefa tsy ifantohana
ny fahoriam-bahoaka,
tsy maintsy hogohana
ny ngidy izay mivoaka.
Rehefa tsy ifantohana
ny asam-pahamehana
dia mainka hirobohana
ireo olana anenjehana.
Rehefa tsy ifantohana
'reo manimba firenena
dia indro iantsorohana
ny fihemorana mivena.
Rehefa tsy ifantohana
ny mahasoa ny rehetra
dia tsy mety iantohana
hazavana iray mitoetra.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
