REHEFA TSY TERAKY NY FO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA TSY TERAKY NY FO



Rehefa tsy teraky ny fo
ny lahasa izay atao
dia hihinana hoho
isan'andro izao.



Rehefa tsy teraky ny fo
ny fikasana sarobidy
dia zara raha ho to
ny efa mba safidy.



Rehefa tsy teraky ny fo
ny tanjona kendrena,
vetivety dia ho lo
tsy ho hay fefena.



Rehefa tsy teraky ny fo
ny fitia nifanarahana
dia mety hanan-jo
ireny fisarahana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
193 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 01/06/2023 15:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015