RENY IRAY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RENY IRAY





Reny iray no nananana
nefa lasa any an-koatra
tsy dia hay nosakanana
ka mahavaka eto loatra.




Reny iray no nananana
ka ketraka tampoka teo
fa dia tsy azo notanana
nampiranga 'rony toreo.




Reny iray no nananana
ka very ireo hantahanta
niavian'itony fiadanana
tsy natao mantamanta.




Reny iray no nananana
ka diso fitiavana izany,
lasa ilay fenomanana
mpanilo lava ny tany.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
910 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0127