RY DADA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY DADA(Teny am-pasana eny Ilafy)
Tsy sanatria hamohafoha irony lasantsika,
Tsy sanatria hitanisa irony andro nibaliaka
No ijoroako eto an-doham-pasana, ry Dada,
Fa hitondra sentosento sy teny mibadabada.
Sentosento hoy aho, ary sentosento mankarary
Sentosento malahelo ka tsy mendrika ho fanary;
Mandria am-piadanana f’ireny lasantsika ireny
Voarakitra ato am-poko sy nampitsiky lavareny.
Toa fijaliana ity no mamelombelona ato anaty:
Alahelo hafahafa sy tsy hadinoina mandramaty;
Ontsa aho kanefa mbola ho avy ilay maraina
Hanaposaka ny mamy sy hanafoana ny taraina.
Mandrapihoana aloha no tiako ho fara-teny,
Lasa ny eritreritra ka tsy mitsahatra manjeny;
Mandria am-piadanana fa na mafy aza ity fahoriana,
Raozy mena sisa no atolotro sy ranomaso mikoriana.
Fredy JAOFERA
ILAFY,1 Novambra 1983
--------
Rohy:
Sokajy :
Alahelo