RY TANIKO !... (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY TANIKO !...




Rahoviana ianao, ry taniko,
no tsy ho tanim-pihemorana
fa zava-misy mba tsy laniko
matoa lazaina sy fotorana ?



Rahoviana ianao, ry taniko,
no tsy ho tanim-pahantrana
fa hatramin'ireo tomaniko,
feno sento tsy hay rarana ?



Rahoviana ianao, ry taniko,
no tsy ho tanim-pijaliana
fa lasa ihany ity vinaniko
mitaditady fihobiana ?



Rahoviana ianao, ry taniko,
no tsy ho tanim-pamonoana
fa n'iza n'iza izay tazaniko,
miara-mila fandrosoana ?




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1017 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117