SAHIKO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAHIKO



Sahiko ny mbola milaza,
sahiko ny mbola miteny,
matoa misy voady malaza,
ianao no mamiko ombieny.



Sahiko ny mbola mitory,
sahiko ny mbola midera
fa ianao no afa-namory
ny soa tsy ilaina hitavera.



Sahiko ny mbola mitosy,
sahiko ny mbola misaotra,
raha dina no tsisy voahosy,
ianao no hoe tiako loatra.



Sahiko ny mbola mivaky,
sahiko ny mbola mitata
f'ianao raha lasa malaky
'reo sento be tsisy sata.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
941 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0111