SAHIRANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAHIRANA




Sahirana aho miaina
ny alahelo anao,
na misy ny maraina
mibaby hery vao.



Sahirana aho mitady
tsiky tsy zoviana
fa ny zava-mianjady,
sento tsy nirina !



Sahirana aho mivoy
tsiaro lalandava
fa be dia be tsy foy,
na efa nisy rava.



Sahirana aho mikalo
antsika eny ihany
ka satry kely handalo
no ilain'itony tany.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
408 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 25/07/2025 07:03
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114