You are here: home > Vetso

SAINA AMBANY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?







SAINA AMBANY





Saina ambany
ny fandoroany,
tsy hay ialany
fa haravoany.




Saina ambany
ny fanimbana,
tsy hanihany
fa hadalana.




Saina ambany
ny famitahana,
loza hatrany
tsy iarahana.




Saina ambany
ny fihemorana,
mijaly ny tany
raha ifotorana.





Fredy JAOFERA