You are here: home > Vetso

SARO-MIORY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



SARO-MIORY





Saro-miory
ka tsara fanahy ;
mba mitory
fa dia manahy !




Saro-miory
ka miova toetra ;
mba fotory
fa mihavoretra.




Saro-miory
ka mitady fitia ;
manorisory
fa nampikodia.




Saro-miory
ka hitany ianao ;
tsy matory
ny aty ka lazao !




Fredy JAOFERA






Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 17/07/2021
Mpamangy : 71
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

FIALOFANA
NIZAKA
TONGA ALOHA
VERY ANDRO
IRAY ANDRO ANY
MANAN-KASINA NY MATY
TSY TIAKO
TRATRA AORIANA
NANDALO
NY MOZIKA