SAROTRA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAROTRA Sarotra ny miaina
lavitra anao
rehefa mba ilaina
ka hazavao.
Sarotra ny miasa
tsy re mikalo
rehefa tsy mikasa
ny handalo.
Sarotra ny miaro
ny tsy ho ory
rehefa itony tsiaro,
any ka fotory.
Sarotra ny mitana
ny tsy hanahy
rehefa tsy tamana
eto foana, lahy.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana