You are here: home > Vetso

SEGA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


SEGA



Aoka aho handihy kely sega,
aoka aho handihy eto mangina,
avelao fa izay tazako, lahy,
miravaka soa mba nirina.



Tehafo fa ny lalako etoana,
toa hafa, tsy manan-tsahala ;
tohizo fa ny firavoravoana
no mitobaka be manadadala.



Topazo fa fihodinkodinana
no adin'ireo fahombiazana ;
jereo fa ny hoe : fanambinana
no mipoitra sy efa notazana.



Tsaroako fa mbola mitahy
ny Tompo Andriananahary ;
aoka aho handihy kely sega
fa nivadika ireo nankarary.




Fredy JAOFERA

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 27/02/2016
Mpamangy : 727
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

MPAMAFA
MITADY ANAO
OLO-MANGINA
LAVAKA
VAVAKY NY FO
MIVAVAHA
MAMOHA SY MANIDY
ASANDRATRA
VALALA VOATANGO
MAHASOA