You are here: home > Vetso

SOA NAMPAHORIANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




SOA NAMPAHORIANA





Soa nampahoriana
fa nanefy moramora
ny tokim-pifaliana
hihamafy vao tanora.




Soa nampahoriana
fa namboatra ho azy
ny lalam-paniriana
tsy sedra mpanasazy.




Soa nampahoriana
fa tsy nampipetraka
fony tojo fijaliana
na ady nahaketraka.




Soa nampahoriana
fa nahalalana lesona
fa rehefa tsy tiana,
tsy mba afa-miesona.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha