You are here: home > Vetso

SOA TOA FENOMANANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




SOA TOA FENOMANANA





Soa toa fenomanana
ny mahita anao matory ;
fitia tsy hay nofoanana,
na miredareda te hitory.




Soa toa fenomanana
mampisaina ny tantara
fa nisesy ny fiadanana
raha velona ito anjara.




Soa toa fenomanana
mampifaly kely monja ;
fa reny tiana hotanana
raha misy fo manonja.




Soa toa fenomanana
mampihaona vetivety
sao hisy fitsanganana
any ho any ka hifety.




Fredy JAOFERA