SODOKA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SODOKA





Sodokan’izato fitiavany
ka namoy ny akoho taman-trano
ianao vao indro ny tavany
nambabo ka tratran’ny angano.



Sodokan’izato tantarany
ka nesoina ny niaraha-nanangana
fa efa naniry ny anarany
raha tsisy haravoana mba niangana.



Sodokan’izato fijeriny
ka niroboka ho azy avy hatrany
fa nanana lava ny heriny
ka ahoana no mandatsa-tomany ?



Sodokan’irony nolazainy
ka revo toa tsy fantatra intsony
fa sady nampanantenainy
f’ianao, hono, no mamin‘ny fony.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1708 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 18/12/2010 19:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161