SOMARY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SOMARY




Somary hafahafa
ny androko anio :
toa tsy ampy tafa
ka vangivangio !




Somary hetaheta
mitady hafanana
tsy tia « mahareta »
fa dia tsy tamana.




Somary hirahira
mitondra tomany
tsy mpamiravira
fa sento hatrany.




Somary horohoro
ao anaty mangina,
tsy mba mpanoro
ny tena irariana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
801 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119