You are here: home > Vetso

SORATY AMIN'NY FO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



SORATY AMIN'NY FO





Soraty amin'ny fo
ny alahelo rehetra
dia hiova sy ho lo
fa tsy hamepetra !




Soraty amin'ny fo
ny vava tsy tanty
dia tsy mba ho to,
na dia nanabanty.




Soraty amin'ny fo
ny latsa nanaraka
dia tsy mba hanjo
fa io hampisaraka.




Soraty amin'ny fo
ny ratra nanimba
dia hamely ny do
'zay nanazimba.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha