SORETRA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SORETRA




Soretra aho manaraka
ny fiainam-pirenena ;
ny vola toa miraraka
fa be no mahonena.



Soretra aho mahita
mpatory anaty fako
mba maro no tafita,
f'ireto dia tsy bako.



Soretra aho mijery
mahantra lavareny;
topazo fa tsy miery
ny loto izay ekeny.



Soretra aho mahare
mpanendaka, ry lahy !
Hany raha mandeha,
toa manana ahiahy.



Soretra aho mamaky
'reo halatra sy vono ;
misy dia mahasaky
fa tsy mba honohono.



Soretra aho lazaina
ny fijaliam-bahoaka :
be nampantenaina
fa ory izay mivoaka.


.

Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1062 1
Mpakafy: karako
Hevitra mandeha
Arofanina ( 02/09/2015 06:37)
Sambany aho mahita sy mandre ity voambolana hoe "soretra" ity.
Mba azonao omena ve ny tena famaritana azy?
Mankasitraka fa kanto ilay tononkalo e!
3004 ( 13/09/2015 13:58)
SORETRA dia midika hoe : KIVY na KETRAKA
Arofanina ( 14/09/2015 06:22)
Misaotra e !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 10/07/2015 12:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0889