TAHAKA NY VORONA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAHAKA NY VORONA




Tahaka ny vorona
nikopaka ange
fa tsy mamorona
ianao nandeha.



Tahaka ny tantely
nanidina any
tsy nandinika kely
ka kivy izany.



Tahaka ny tanjona
niala ho doria
nanehoana anjona
izay nankahia.



Tahaka ny tsarako
nisinda tokoa
nanova ny anjarako
ka mazotoa !




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
55 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 06/09/2024 05:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0706