You are here: home > Vetso

Taiza ianao ? - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


Taiza ianao fony tsy nanan-kifikirana
Ny saiko nisavoro ?
Taiza ianao fony tsaroako nanahirana
Ny aloka nijoro ?
Taiza ianao fony tsy nanan-kianteherana
Ny foko manjoretra ?
Taiza ianao fony nitombo sy tsy ferana
Ny ora nampitsetra ?
Taiza ianao fony tsy nanan-kantenaina
Ny toky nifotorana ?
Taiza ianao fony saika very maina
Ny fenitra nizorana ?
Taiza ianao fony tsy nanan-kitokisana
Ny raoziko nitia ?
Taiza ianao fony tsy nanam-pahamafisana
Ny heriko malia ?

Fredy JAOFERA

Sokajy : FITIAVANA

Hevitra mandeha

Oully (30/09/2004 22:06:00)

Zoky an! mifidiana indray tonokalo mampitraka fa na izaho aza mitady hitanondirka indray mamaky ireto tonokalo 3 napetrakao. Mbola misy ny fanantenana hoy ny fiteny.

bichette (01/10/2004 09:14:20)

manaova indray tononkalo feno fanantenana hono ra zandry a !

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : NyKanto
Daty : 30/09/2004
Mpamangy : 576
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

MITENY NY TANANA
REHEFA ISIKA ROA
FIENTANAM-PO
AO AM-PO
NY ANY AMINAY
NY ANKEHITRINY
MORA MARATRA
KIBO MANINA
KIRY
SAIKA