TAKON-DRAHONA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAKON-DRAHONA





Malomaloka aok'izany,
na ny andro na ny foko,
manimanina ny akany
satry eto ho hosodoko.




Mangingina hafahafa
'tony toerana anoratana,
mamoha eto irony jafa
tonga eto sy mivantana.




Miherikeri-tsamirery
fa izao re no lavi-tiana ;
mihombo ho azy ny fery,
miroso koa ny fanaviana.




Misentosento lalandava
fa lavitra hira sy lalao ;
aiza ho aiza no hazava
'reo ora maro vaovao ?





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
970 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0112