TALOHA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TALOHA





Vao nifankahita
toy ny tsy ho vita
ny oroka natolotra
mamy sady imolotra.



Vao mba tafaraka
toy ny tsy hisaraka
isika mandramaty
no dia nahafatifaty.



Vao nisangisangy
toy ny tsy ho dangy
ny voadintsika maro
indrisy tsy voaaro !




Vao nisary adalala
toy ny hoe malala
narafitra ho doria
natao ny hifangia.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - Fitiavana
1363 0
Commentaires
Zozoro ( 30/08/2010 17:36)
Misaotra e! Satriko foana ny amaky ny tonnkalonao...tena mahalina ahy tokoa.
Mbola hafa ihany ny kalaza. Misaotra nizara e!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0114