TAMBATAMBAZANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAMBATAMBAZANA





Tambatambazana vola
'reo vahoaka madinika,
hahafahany ery midola
rehefa tena mandinika.




Tambatambazana vary
hampangina azy ireny,
na dia mety hankarary,
hanenenana ombieny.




Tambatambazana toky
fa misy ny fanantenana
kanefa dia eto mamoky
fahoriana be hadalana.




Tambatambazana rano
fa tsy ho tapaka intsony
kanefa idiran'ny angano,
tsy misy fiainana tony !





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
713 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119