TANTARAM-PITIAVANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANTARAM-PITIAVANATantaram-pitiavana
misy foana ao anaty
no mitera-piniavana
fa tsy mba lany daty.
Tantaram-piniavana
mamerina ahy indray
ny ora nampihavana
ny nisy hatramin'izay.
Tantaram-pitiavana
mamoha ho azy eto
iny alahelo goavana
sy ireto hirahira ireto.
Tantaram-pitiavana
mendrika ho tadidy
fa tsapa ho mavana
ny fotoana sarobidy.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana