You are here: home > Vetso

TANTELY AN-TANAM-BOKA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?






TANTELY AN-TANAM-BOKA





Tantely an-tanam-boka,
tsara ihany fa mahatsiravina ;
ilaozako fa manodoka
ka aza taitra raha nolavina.




Tantely an-tanam-boka,
mamy ange fa mampihataka ;
tsy mila azy 'rony foka
ka hatraty avy tsy hangataka !




Tantely an-tanam-boka
soa iray fa manelingelina ;
nofinofy re ny higoka
vao misy fofona mihelina.




Tantely an-tanam-boka,
harena ery fa mahaketraka ;
aleoko ihany ny tsoka
no sokiriko eto mipetraka.




Fredy JAOFERA