TANY AMINAO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANY AMINAO




Tany aminao aho
tamin'ny fotoana nanahirana
fa fosa lava izao
no azo ka tsy afa-nifikirana.



Tany aminao aho
tamin'ny fotoana nampahory
fa tsy mba nanao
izay handrava an'izany akory.



Tany aminao aho
tamin'ny fotoana nahaketraka
fa tsy mba nandao
irony latsa ka tsy tafapetraka.



Tany aminao aho
tamin'ny fotoana nitomaniana
fa be ireo raorao
ka naleoko nialana fa tsy tiana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
659 1
Fans: Paqueo
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0127