You are here: home > Vetso

TAO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




TAO





Tao ny mafy
saika tsy niala
tonga nifafy
sy nanadala.




Tao ny rava
saika tsy zaka
nikendry lava
hahazo laka !




Tao ny ngidy
saika namono
mbola tadidy
nifonofono...




Tao ny ady
saika nanary
'reto angady
natao fihary.




Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha