TAPITRA HATREO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAPITRA HATREO





Tapitra hatreo
ny fihavanana
fa be ny toreo
tsy niadanana.




Tapitra hatreo
itony fitiavana
tsy afa-naneho
toky goavana.




Tapitra hatreo
izay efa tigetra
hampiara-peo
fa nampitsetra.




Tapitra hatreo
itony faniriana
nitaona, zareo,
ka nikimpiana.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
25 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 08/10/2026 07:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0129