You are here: home > Vetso

TARATASY IRAY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?







TARATASY IRAY





Taratasy iray fony nifaly sy tsy nihovitra
ny momba antsika no sisa tsy voarovitra
fa hany voatahiry ao anatin'ireo tanatara
narafitra ho antsika ho porofo tena tsara.




Ny teny ihany sisa anio no lasa sy tsy re
fa 'zay soratsoratro no mitoetra maro be
milazalaza ho azy ilay fitia tsy imolotra,
sady latsa-paka no tena mba natolotra.




Ny sento indray anio no mampijafajafa
ka oriory ombieny sy mila ho hafahafa,
mila hararirary fa ireny andro fahagola
miverina mangina no tsisy angolangola.




Taratasy iray fony isika niombon-dia
no mbola any ihany sy feno ilay fitia,
feno fahatsiarovana toa niraradraraka
ho an'izay tsy nino fa isika niaraka !...




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 26/11/2019
Mpamangy : 290
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

TAVANY
MOZIKA
NANEFY NY TOETRAKO
FITAFY
MIHIRA
REHEFA
HEHY
MAMOHA POETY
ADY MARO
TSY HO AZONAO NY FOKO