TE HO RENY ANEFA... (Fredy Jaofera)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TE HO RENY ANEFA...





Te ho reny anefa
menatra aho rehefa
ny tena ka tra-boina
fa tsy azo nantsoina.




Te ho reny anefa
tsy any no miantefa
ny toky nokatsahiko
nofisin'ny fanahiko.




Te ho reny anefa
tsy nahay nandefa
ny tsirom-paradisa
nilaina tsy hita isa.




Te ho reny anefa
tsy hita ho nahefa
ny adidy notakina
vao tojo fahoriana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
618 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 06/06/2020 12:23
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0299