You are here: home > Vetso

TENIN'NY FOKO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





TENIN'NY FOKO





Ny ranomaso no tenin'ny foko
rehefa mavesatra 'reo alahelo
mamely tampoka vao misoko
ka indraindray mirotsa-delo.




Ny ranomaso no tenin'ny foko
rehefa miverina ny tany aloha
tomefy adiady mbola tsy zoko
nandreraka ho azy sy nahavoa.




Ny ranomaso no tenin'ny foko
rehefa mihorohoro 'lay tantara
mivoy sentosento sy mandoko
sedra maro toa tsy hay ambara.




Ny ranomaso no tenin'ny foko
rehefa mitady ny any an-koatra
efa any am-pasana sy tsy foiko
hanilo ny lalana fa tiako loatra.




Fredy JAOFERA