TIAKO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO




Tiako raha zaraina
miaraka aminao
'reo efa lazaina
ho hira na lalao.



Tiako raha iarahana
izato hoavy sy voary
hoentintsika hisahana
ny mamy sy manjary.



Tiako raha tsy nofy
ny efa voadintsika
ka avia mba rakofy
ny ora mangatsiaka.



Tiako raha tsy roa
irony toky lavareny
ka haharitra tokoa
no tanjona ombieny.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1055 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0111