TIAKO IANAO KANEFA... (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO IANAO KANEFA...Tiako ianao kanefa
tsy hiaraka aho rehefa
ny saiko no miteby :
oriory sy voareby.
Tiako ianao kanefa
maro ireo miantefa
mamely ahy re moa
tsy hitodika tokoa.
Tiako ianao kanefa
tsy hampirefarefa
ny dobo-po mangina
izany, na rahoviana ?
Tiako ianao kanefa
aleoko aloha milefa,
aleoko aloha mandeha
tsy hamaly na handre.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Fiaraha-monina - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
Commentaires

vololomanitra91
(
18/12/2007 07:24)
tiko enao kanefa
aleo aho aloha handefa!!!!
milay ilay tononkalo
sady mampanganoano!!!
misaotré!!!
aleo aho aloha handefa!!!!
milay ilay tononkalo
sady mampanganoano!!!
misaotré!!!

3004
(
18/12/2007 18:25)
ianao an!