TIAKO IHANY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO IHANY





Fosafosa no nararaka,
sady izay nanambany
raha anio re, nisaraka
fa mbola tiako ihany.




Latsalatsa no nomena
nankarary tany ho any,
ratra mafy tsy nihena
fa mbola tiako ihany.




Laingalainga no nivoy
izay tsy fantatro izany,
vavan-doza no tsy foy
fa mbola tiako ihany.




Tebiteby no niainana
nasiana fery hatrany,
nahabe fanaintainana
fa mbola tiako ihany.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
174 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118