TOERANA MISY... (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOERANA MISY...




Toerana misy fitiavana,
mitory fahasambarana,
mampitranga ny avana
fa izay no fandaharana.



Toerana misy fiadanana,
milamina tsy mitsahatra
mbola azo ananganana
ilay rindra tiana hihatra.



Toerana misy hafaliana,
manamaina ranomaso,
manafoana fanahiana
ary mampisy torimaso.



Toerana misy fiarahana,
maniry fifankahazoana,
sady mbola ahafahana
tsy hahazo fisentoana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
465 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 13/08/2024 21:20
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116