TONDRADRANO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TONDRADRANO




Rano daholo ity hitan'ny maso,
mampanontany sao efa an-kaso,
sarotra inoana ka hatramin'izao,
ontsa ny fo raha ambarako anao.



Very fanahy ireo tonga traboina,
tsy mahita izay iza no antsoina ;
tsy mahalala izay aiza hatoriana
fa lahatra ratsy tonga fahoriana.



Rano daholo ny lalan-kaleha,
mila hanadala fa fiainana re,
tongany avy ny trano rehetra
ka maro no ory sy mitsetsetra.



'Reto fananana tsy hita ambara
simba sy lena no tonga tantara ;
'reo trano mitriatra etsy sy eroa
tsy hita antenaina sao hahavoa.



Fadiranovana ny mponina maro,
irariana mba hahita mpahatsiaro ;
nahoana re no nidiran'ny angano
fa mazana loatra ity tondradrano ?




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1071 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1652