TONGA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TONGA




Tonga hitondra fiadanana
ho an’ny mpino marobe
ny zanak’Andriamanitra
sy hitandro fihavanana
eritreretina ho handeha
amintsika sy ny Lanitra !



Tonga hitondra fitahiana
ho an’ny olona rehetra
‘zay maniry famonjena ;
tsy nahalala fifaliana
fa toa ory nanjoretra
fony kivy mahonena.



Tonga hitondra vavaka
na dia ho an’ny jentilisy
mafy fo hatrany hatrany,
mitady foana handavaka
‘reny hantsana efa nisy
nampisaraka aok’izany.



Tonga hitondra hafatra
avy amin’ilay Tsitoha
ny mba hifankatiavana,
na aiza no misasatra
sy mikaroka ny soa
kely na mba goavana.


.


Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Fifaliana
1373 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118