You are here: home > Vetso

TONGA ALOHA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





TONGA ALOHA





Tonga aloha ny vava
fa tsy ny asa miandry
ka voateny lalandava,
na manenjan-tsandry.




Tonga aloha ny vava
fa tsy ny adidy maro
ka dia mandravarava
'reo tsiny mifangaro.




Tonga aloha ny vava
fa tsy ny andraikitra
ka izao vao mazava
raha mila hanaikitra.




Tonga aloha ny vava
fa tsy izay hamehana
ka inty manavatsava
anio ny fanenjehana.




Fredy JAOFERA