TONGA ALOHA - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
TONGA ALOHA
Tonga aloha ny vava
fa tsy ny asa miandry
ka voateny lalandava,
na manenjan-tsandry.
Tonga aloha ny vava
fa tsy ny adidy maro
ka dia mandravarava
'reo tsiny mifangaro.
Tonga aloha ny vava
fa tsy ny andraikitra
ka izao vao mazava
raha mila hanaikitra.
Tonga aloha ny vava
fa tsy izay hamehana
ka inty manavatsava
anio ny fanenjehana.
Fredy JAOFERA
Sokajy :
Aingam-panahy, Alahelo, Eritreritra mandalo, fananarana, fiainana, Fiaraha-monina, Fiononana
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 17/09/2021
Mpamangy : 169
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
MISY NOFY MATORYAZA MITADY
TSY MOTRAKA
AZA TEHAFINA
GOGOGOGO
RANOMASO MANGIDY
MAMPISALASALA
NY VORO-MISERANA
NY TOKY
NY FEONY