You are here: home > Vetso

TOY NY MAHAZATRA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


TOY NY MAHAZATRA





Tairiko ny ainga
tsy afa-kitsahatra
ka hivadika bainga
toy ny mahazatra.




Raisiko ny penina
fa mikiky ny ratra
tsy haiko tenenina
toy ny mahazatra.




Entiko ny soratra
fa efa mahatratra
maro ny vokatra
toy ny mahazatra.




Vohaiko ny diary
fa ny mamahatra,
mamiko an-tsary
toy ny mahazatra.




Fredy JAOFERA




Hametraka hevitra

Midira aloha