TRABOINA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TRABOINA





Indrisy, traboina
ny tsy manan-kialofana, 
ny antsoantsoina :
ny tany, aza tohofana !




Indrisy, traboina
ny any ambany tanàna ;
aoka tsy esoina
fa efa be fahasimbana.




Indrisy, traboina
ny milatsaka anaty rano
ka aza dontoina
fa efa idiran'ny angano !




Indrisy, traboina
ny mpiray tanindrazana
fa very mpanoina
ka izao no fahavoazana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
666 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0122