TSAKA RANO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSAKA RANO



Efa reraka aho re, olona,
fa ny fiainana dia tolona ;
tsy maintsy hatsaka rano
fa lany ny ato an-trano.




Mihalasa ilay masoandro
ny sakafo tsy voahandro,
ny adidy tsy azo ialana
ka mbetika aho voatana.




Lavidavitra no diavina,
nefa izao tsy azo lavina
raha lolohavina ito siny
toa tena izy ankehitriny.




Tebiteby tsy hay ambara
miampy tahotra mandrara
no amenoana rano foana
ny siny maro, na ahoana.




Ny hatsiaka sy ny alina
no mampitony eto lalina,
na dia drodroka natsaka
sy kotsakotsa toa nizaka.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
993 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 11/02/2017 00:48
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158