You are here: home > Vetso

TSANTA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


TSANTA





Ny tsantan'ny fahakambotiana
no hirako indray eto am-bava
raha injao re ka mikoriana
'reo ranomaso eto an-tava !




Ny tsantan'ny fahatsiarovana
an'ireo sedra izay nisesisesy
ka imbetsaka nahatorovana
na indraindray aza naharesy.




Ny tsantan'ny fahabangana
tamin'zay fiainana an-tany
mbola tsy mora novahana
fony nampisento ny akany.




Ny tsantan'ny fahavoazana
mamolivoly ny lasa sy very
saika tsy tia fahombiazana
fa mamelona foana ny fery.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha