TSARA (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSARATsara ho an'ny saina
ny tsy hahalala akory
'reny zava-nozakaina
sao tsy hitondra tory.
Tsara ho an'ny isika
ny tsy hizara marina
'reo sedra be nasiaka
efa saika namarina.
Tsara ho an'ny anio
ny tsy hijery intsony
'reo ratra...Tadidio,
na saika tsy hitony.
Tsara ho an'ny taona
ny tsy hamoha indray
'reo ora nampisaona
nahory hatramin'izay.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Fampaherezana - Fiononana - Fisarahana - Fahatsiarovana - Eritreritra mandalo - Alahelo - fiainana - Aingam-panahy
