TSAROAKO INDRAY IZAO (Fredy Jaofera)

Lu par
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSAROAKO INDRAY IZAO




Tsaroako indray izao
ilay voalohan'oroka
mamy ery raha vao
nitazona ito soroka.



Tsaroako indray izao
ny ora izay niarahana
rako-boady sy lalao,
efa hita ho nibahana.



Tsaroako indray izao
ireo dina izay nekena,
zary nofy sy nandao
ary indro nohosena.



Tsaroako indray izao
'reo sangisangy maro,
ny vazivazy izay natao
teny ho eny ka fantaro.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1403 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115